dimanche, août 26, 2007

.NET API for Flickr

Ireto ny étape tsy maintsy arahina rehefa manao authentification amin'ny Flickr miaraka @ API .NET. Raha tsy manao an'ireo indrindra ilay manokatra ny url dia mahazo invalid token (108) :
....


string apiKey = "xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx";
string sharedSecret = "xxxxxxxxxxxxxxx";

// get frob
Flickr flickr = new Flickr(apiKey, sharedSecret);
string frob = flickr.AuthGetFrob();

// redirect to url
string url = flickr.AuthCalcUrl(frob, AuthLevel.Write);
System.Diagnostics.Process.Start(url);

// authentication using frob and getToken
Auth auth = flickr.AuthGetToken(frob);
.....

mercredi, août 09, 2006

dimanche, mai 21, 2006

Device is busy - Fedora Core 1

Nampiasa CD-ROM aho dia ny olana rehefa manao umount dia 'device is busy' foana no asehony. Izany hoe mbola misy zavatra mihainohaino any ambadika any. Fanafodiny : jerena hoe amin'ny lisitry ny fichier misokatra - baiko lsof. Ampiarahina amin'ny grep tsotsotra izy avy eo dia omeo kill izay mampihainohaino azy ao. Ohatra : lsof | grep cdrom

Rakitsary

Nanampy blog vaovao ananakiroa natao fitahirizana ireo rakitsary samihafa aho : http://izahay.blogspot.com hahitana ireo sarinay , ary ny http://rakitsary.blogspot.com hahitana ireo sary samihafa nalaina tetsy sy teroa azon'ny rehetra jerena.

samedi, mai 20, 2006

mardi, mai 16, 2006

Serveur free.fr (MySQL)

Ohatran'ny tsy dia stable tsara ny serveur MySQL ao amin'ny free.fr amin'izao fotoana izao, ngamba manavao zavatra ry zalahy fa isaky ny mihetsika mahazo toy izao foana : [MySQL server has gone away]. Misy wordpress sy textpattern izay mantsy mihainohaino ao amin'izao aloha.
Update : Nesoriko koa ilay textpattern fa ohatran'ny tsy dia mamely ny interface amin'ny administration.

dimanche, mai 14, 2006

Nametraka Fedora Core 1

Dia nametraka Linux Fedora Core 1 indray tamin'ilay milina kely efa somary tranainy ato (300 Mhz) fa nahavita be. Izany aza efa tena ela be ny installation fa dia atao fanaovana sauvegarde angamba sisa (tsy ho asiana ecran intsony) no ilaina an'nedala e !



dimanche, septembre 11, 2005

Souvenir taloha (MAX 232)

Sary souvenir taloha tamin'ny androny . Nikitikitika tel portable (manova données, décodage..).
Ilay mainty ho an'ny ankabeazan'ny tel moa ilay fotsy Nokia. Tsy maintsy nanamboatra tanana fa lafo be ny matos complet tamin'izany. Tamin'ilay mbola vao nanomboka ireny mihitsy.

Nalaza tamin'izany ny CI MAX 232.

Ary nampiasaina daholo ny système D rehetra fa sarotra ny nitady connecteur. Niasa matetika ny paingotra .



Update : 21/04/2006

Ito amin'ny sary ito ireo karazana connecteur sy ny piesy nampiasainy tamin'izany.
Ary ireto sary farany ireto ambany ireto ny tao anatin'ireo boitier ireo. Somary spaghetti ihany aloha :-) .